♦ Mangataka ny hampitomboana ny teti-bolan'ny faritra ireo governora raha nihaona tamin'ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly. Betsaka ny asa hatao saingy tsy maharaka ny teti-bola enti-miasa... ♦ Namondrona ny heriny naneho firaisan-kina omaly ny mpiasan'ny paositra manerana ny nosy. Mitohy ny fitokonana... ♦ Tetik'asa PRODUIR : Nahazo fiarabe "camion citerne" fitanterana rano miisa 05 avy amin'ny ministeran'ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny ministeran'ny rano sy ny fidiovana ary fanadiovana...

Singa efatra no entina mandinika ny olona manontolo: vatana, saina, fo, fanahy. Vatana : matoa naka nofo i Jesoa dia ilaina vonjena mihitsy ny ara-batana. Adidy  voalohany ny fitandroana ny fahasalamana amin'ny alalan'ny fahadiovana sy ny fanatanjahan-tena. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotoamantsoa Jean Louis.

Sabotsy 10 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavataona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 24-33

Fomba ahafahana mampitombo ny voka-bary eto Madagasikara ny teknika fambolem-bary voizin'ny Papriz. Faritra 22 moa no iasan'ity tetik'asa ity izay efa nanomboka niasa tamin'ny taona 2008 tamin'ireo faritra 05 anivon-tany.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...