♦ Andro faharoa anio ho an'ny fanadinam-panjakana Bakalorea manerana ny Nosy. Ny taranja matematika sy malagasy indray no hatrehan'ireo mpiadina... ♦ Nitombo ny isan'ireo trangan-kerisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny tovovavy marefo, nandritra ny fihibohana tamin'ny taon-dasa. Vehivavy iray amin'ireo telo natao fanadihadiana no efa niharan'izany, indray mandeha farahafakeliny...

Fanamby ho an'ny taranak'olombelona manontolo ny fitandrovana sy ny fanajàna ary fikatsahana ny soa iombonana ary adidy iaraha-misalahy sy ilàna fahasahiana. Ny Papa Ray Masina dia manentana izao tontolo izao amin'ny fitandrovana sy fitahirizana ny soa iombonana, indrindra manoloana ny fiovana misy amin'izao. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.

Talata 10 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 24-26

♦ Tsy nisy ny olana goavana androany, nandritra ny andro voalohany amin'ny fanadinam-panjakana bakalorea... ♦ Voatery manaraka fitsaboana any Morondava, ny mpampianatra iray izay niharan'ny daroky ny miaramila ao amin'ny Kaompania 510 Belo-sur-Tsiribihina... ♦ Nahitana fiakarany kosa ny trangana herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny tovovavy araka ny fanadihadian'ny FNUAP...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...