14 marsa — Teraka ny taona 890 i Masimbavy Mathilde, taranak'andriana ny reniny ary fanta-daza tao Ringelheim tao Saxe ny fianakaviany. Dietrich no anaran-drainy ary i Reinhild no reniny. Notezain'ny renibeny tany amin'ny trano fitokana-monina tao Erfurt i Mathilde.
14 marsa 2025 — Zoma, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy— Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
• Tombanana hiditra an-tanety rahampitso alina na ny sabotsy maraina, ilay rivodoza Jude. Any amin'ny Distrikan'i Toliara Voalohany sy Faharoa izy no hikasika an'i Madagasikara... • Tsy mbola nisy fehin-kevitra tena nifanarahana tamin'ny fihaonan'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanana Vaovao sy ireo mponin'i Ivato voakasiky ny fanitaran-dalana... • Vao mainka mihasimba ny Lalam-pirenena faharoa, izay lalan-dran'ny toe-karena malagasy amin'izao. Efa potika indray izay efa namboarina kely teo aloha, hoy ny fanazavan'ireo mpampiasa ny RN2...
• Nitombo hery ka lasa rivodoza indray i Jude. Tombanana hiditra ao amin'ny Distrikan'i Toliara voalohany sy faharoa, amin'ny tanjaka “Forte Tempête Tropicale” izy rahampitso... • Tsy nifarana tao anatin'ny fivoriambe fankatoavana ny teti-bola, fa mbola nitohy teo ivelan'ny lapa nivoriana ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ireo samy milaza ho mpanohitra ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... • Namoaka fanambarana ny sendikà SECES Sampana Antananarivo, eo anatrehan'ny fifidianana isan-tsokajiny, tanterahana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco