24 septambra 2023 — Alahady Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)
Ny Eglizy dia manentana mba hialàna amin'ny fanambakana olona sy ny fitsetsafana. Entanina ny rehetra indrindra ireo mpampiasa mba hanaja ny zon'ny mpiasa dia ny zo hiala sasatra. Isan'ireo zo voaresaka matetika : ny fialan-tsasatra sy ny zo hanana toeram-piasana tsy manohitohina ny aina... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
23 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 4-15)
Ny zon'ny mpiasa dia toy ny zo hafa rehetra, dia miorina amin'ny toetra maha-olona ny olona aéry amin'ny hasiny mihoatra an'izao hita maso. Ràriny ny hankatoavana ny zo ary araky ny didy aman-dalàna : Zo hahazo tambin-karama ara-drariny, zo hahazo fialan-tsasatra, zo hanana toeram-piasana ary lamin'asa tsy manimba ny fahasalaman'ny mpiasa ary tsy manohintohina ny fahamarinany ara-môraly... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco