26 aprily 2023 — Alarobia, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 35-40)
Ilaina ny mandrindra na manao fandaharam-potoana matotra mba ahafahana mihaona ary ny fihaonana izay hatao dia tokony misy antony mazava sy voaomana tsara raha tsy izany dia mety tsy ahitana voka-tsoa. Ny vokatry ny fihaonana dia araky ny tanjona tratrarina ; vokatry ny fihaonana ny fifankahafantarana na eo amin'ireo efa mpinamana na amin'ny olona vaovao. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
25 aprily 2023 — Masindahy Marka, Evanjelista — Fety — Izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika; i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-20)
Ny olombelona dia olon'ny fifandraisana. Natoraly ho an'ny olombelona ny fifandraisana miaraka amin'ny manodidina azy. Ny olona tsy afaka mifandray amin'ny hafa dia olona voasokajy ho olona voasazy. Na natoraly ho an'ny olombelona aza anefa dia mila voizina sy kolokoloina ny fihaonana : na ao an-trano na ao amin'ny toeram-piasana na eny anivon'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco