Lasa fitaovana hisandohana sy hanapotehana ny fiainan'ny hafa ny "facebook". Maro ireo endrika fisandohana eo amin'ny "facebook", miantomboka amin'ny tsy fampisehoana ny marina momba ny olona mitondra ny compte iray. Aoka tsy hadinoina fa mbola miteraka adi-hevitra sy fanontaniana maro hatramin'izao fotaona iresahantsika izao ny momba ny fanajana ny fiainana manokan'ny mpiserasera ny "facebook". Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason. 

20 aprily 2023 — Alakamisy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 31-36)

Ny "facebook" dia manampy amin'ny asa atao satria azo andefasana ireo dokam-barotra na fampisehoana ny asa atao izy io. Anisan'ny tena liana amin'ny fampiasana "facebook" ny ankizy sy ny tanora, izay manampy azy ireo amin'ny fifanankalozam-pahalalana, ny fianarana lesona, ny fanaovana enti-mody ary ny fanazarana samihafa. Ny "appel vidéo" dia ahafahana manazava izay mila fandalinana. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason. 

19 aprily 2023 — Alarobia, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-21)

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...