Ny alahady 16 avrily 2023 no nanamarihana ny fetin'ny famindram-pon'Andriamanitra. Ny bazilika lehibe ao Roma :  st Jean de Latran, St Pierre vatican, Ste Marie Mageur, St Paul hors le mur ; ireo bazilika ireo dia samy manana ny atao hoe varavarana masina, izay sokafana amin'ny fomba manokana rehefa misy ny taon-jaobily ireny. Manana ny anjara toerana lehibe amin'ny fanomezana ny "indulgence" manontolo ireo bazilika ireo, antsoina hoe alitaran'ny Papa, izay izy irery no afaka manao lamesa ao.

Miha olona ny fiaraha-monina rehefa mahay mangoraka sy mamindra fo ny fahalemen'ny hafa ny tsirairay, ary manampy azy hiala amin'izany fahalemena izany. Mitaky halemempanahy sy fanetrentena ny fahaiza-mangoraka. Ao anatin'ny fitiavana tsy mitaky valiny no hanatanterahana izany. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry. 

16 aprily 2023 — Alahadin'ny Famindrampon'Andriamanitra — Alahady faharoa fankalazana ny Paka — Taona A — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-31)

Masina Maria, môdelin’ny fangorahana "hatsaram-panahy ny famindram-po sy ny fangorahana" ; ny olona manetry tena ihany anefa no ho afaka mamindrà fo sy mangoraka.  Hatsaram-panahy fototra ny fanetren-tena, ary io hatsaram-panahy io no nanainga an’i Masina Maria hangoraka nyr ahahavaviny, i Mb Elisabeth. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry. 

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...