Alahady 5 febroary 2023 — Alahady Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona A — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)
Betsaka ny adidy hapetraky ny Fiangonana amin'ny Kristiana amin'ny fitoriana ny Evanjely, ao anatin'izany ny fanatsarana ny fiainan'ny olombelona, anefa mandanjalanja tosiky ny kolontsaina. Tamin'ny 30 novambra 2019 no nihaonan'i Papa tamin'ny CPPNE, momba ny hoe Eglizy misokatra, nasongadiny ny hoe tsy ilaina mihitsy ny manaiki-dresy amin'ny fitoriana ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.
Sabotsy 4 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)
Ny fivoaran'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly : Azo atao ny mampiasa ny fitaovana môderina rehetra mba entina mampita ny Evanjely. Ny fitaovana môderina toy ny tranokalam-pifandraisana, ny fahitalavitra sy ny onjam-peo, izay tokony hampiasaina ara-drariny fa tsy entina hamotehana ny mpiara-belona na hanimba ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco