Sabotsy 3 desambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8
02 desambra — Teraka tao Rome i Viviane, na i Bibiane ary fanta-daza tamin'ny toe-panahy kristianina sy ny fiandrianana ny fianakaviana. Flavien no rainy, préfet tao Rome izy io, ary nampidirin'i Julien tany am-ponja satria nibebaka ho kristianina. Nalefa sesitany tany Toscane izy ary maty tany.
Ny Fitiavana marina : fitiavana an'Andriamanitra sy ny fahatahorana Azy, ary koa, fitiavana ny hafa tahaka ny tena. Ity farany ity no fampiharana hita maso sy ren'ny fandrenesana ny fitiavana an'Andriamanitra izay tsy hita maso. Ny fitiavana dia natao ho an'ny olombelona tsy misy fanavahana : havana, namana, olona lavitra, ireo olona mpankahala antsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Zoma 2 desambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 27-31
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco