Zoma 22 jolay 2022 — Masimbavy Marie Madeleine — Lazao anay, ry Maria, izay hitanao teny an-dalana. Ny fasan'i Kristy velona no hitako sy ny voninahitr'Izy tafatsangan-ko velona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 1-2. 11-18
21 jolay — Teraka tany antenantenan’ny taonjato fahatelo i Masindahy Victor. Avy amin’ny fianakaviana andriana tao Marseille izy io. Kristianina izy ary rehefa tonga ny fotoana nisafidianana ny asa dia nirotsaka ho tafiky ny amperora ka lasa manam-boninahitry ny tafika thébaine teo ambany fiarovan’ny amperora Dioclétien sy Maximien Hércule.
Taratra ho manana ny lanjany manokana tokoa ny rariny, eo anivon'ny toe-java-misy ankehitriny, satria ao anatin'izany, ankoatra ny fanambaràna ny fahavononana, dia ny soatoavina mahaolona, ny hasiny sy ny zony no tandindomin-doza noho ny fihanaky ny firehana tsy manam-penitra afa-tsy amin'ny zavatra ilaina sy ny fananana azy. Ny rariny dia tsy fifanarahana ifanaovan'ny olombelona fa ilay maha-olona. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 21 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 10-17
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco