Zoma 30 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 54-58
Maro ireo tanora no tsy mahafantatra ny talenta ao aminy, ary lasa mikombona anaty. Tojo fahasahiranana izy ireny ka toroina hevitra mba tsy hikombona amin'ny tenany. Nijery dia nitia azy ireny Jesoa, ary manana adidy hikolokolo sy hikarakara azy ireny koa isika. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alakamisy 29 jolay 2021 — Masimbavy Marta — Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 19-27
Misy amin'ny tanora tsy lasa lavitra amin'ny fianarana, noho ny antony maro samihafa. Samy manana ny fahaiza-manaony avy anefa izy ireny araka ny sokajy misy azy avy. Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary. Tsy natao hampifanipaka ny fahasamihafana fa hifamenoana. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco