Alarobia 28 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 44-46
Vao tsy ela akory no nisian'ny Sinaoda maneran-tany ho an'ny tanora, taoriana izay dia nandalo teto Madagasikara ny Pape Fransoa. Amin'ny fitsidihina rehetra hataony dia mihaona amin'ny sokajin'olona maro ny Pape Fransoa, ary tsy hadinony ny mihaona manokana amin'ny tanora. Resahina entoana ny loha-hevitra hoe : fikolokoloan'ny tanora ny fahaiza-manaony. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Talata 27 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 36-43
Azo sokajiana ho telo miavaka tsara amin'ny ankapobeny raha resahana ny mahakasika ny fizaràna ny taonan'ny olombelona : ny ankizy, ny tanora, ny antitra ; fa ny tanora no tena maro an'isa. Eo no isehoan'ny hery sy tanjaky ny olona. I Jesoa dia 33 taona no nofantsihana tamin'ny hazofijaliana, maty mba hanavotra antsika, ary mitahiry izany hatanorany izany. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco