Alatsinainy 26 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 31-35
Ilaina ny fananana fahasahiana eo amin'ny fiainana. Misy fomba fiteny hoe "izay sahy maty no mifono lambamena". Mila mijoro izany isika, mila vonona ny hanao zavatra. Mila ialàna ny toe-tsaina mora kivy na koa tsy mihevitra afa-tsy ny mety ho voka-dratsiny fa mila fahatokisantena sy fanantenana. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.
Alahady 25 jolay 2021 — Alahady fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15
Hitantsika tamin'ny alalan'ireo endrika telo (Jesoa, Piera, Paoly) fa ny fahasahiana dia miteraka risi-po ho amin'ny tanjona iray. Tsy mandeha ho azy anefa ny fahasahiana fa vokatry ny fitiavana, ny finoana, ny fahatokisana, eny fa vokatry ny fanantenana. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco