25 mey — Teraka tany Angleterre ny taona 672 i Bède. Mbola ley izy dia efa maty ny ray aman-dreniny ka teo amin'ny fahafito taonany izy no naterin'ny havany tany amin'i Benoît Biscop, lehiben'ny mpitoka-monina tao Canterbury. Mpmampiofana ireo mpitoka-monina i Benoît no sady nanana andraikitra manoka koa tamin'ny fampifandraisana an'i Roma sy Angleterre.

Alahady 25 mey 2025. Alahady faha-6 – Taona D fankalazana ny Paka : Vary zato aharon’ny sompitra isika ao amin’ny Eglizy ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Ny fitiavana no harena tokana sy ambony indrindra amin'Andriamanitra, fitiavana tsy misy tambiny, hatramin'ny fahafoizana ny zavatra rehetra. Ny fitiavan'i Jesoa dia fitiavana maimaimpoana, tsy miandry valiny, tsy voafetra. Ny Fanjakàn'Andriamanitra dia fiadanana sy fifaliana, izay ao anatin'ny fon'ny olona mino...

24 mey — Misy ireo tetiandro sasantsasany ahitana ny ny hoe Sainte Marie Auxiliatrice, na ihany koa amin'ny teny malagasy hoe Masina Maria Vonjin'ny kristianina. Amin'ny ankapobeny dia ny fikambanana Salezianina naorin'i Don Bosco no tena miantso an'i Masina Maria amin'io anarana io.

23 mey — I masindahy Didier dia avy au Autun ary voatendry ho eveka tao Vienne tamin'ny 595. Tamin'izany fotoana izany dia ny mpanjakavavy Brunehaut na Bruehilde no nitondra an'i Austrasie, satria mbola tsy ampy taona ny zafikeliny izay handimby eo amin'ny fitondrana.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...