Alahady 14 septambra 2025 : Fankalazana ny nanandratana ny hazofijaliana ; Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao. Miandry ny fibebahan'ny olombelona, marina ihany koa Andriamanitra, na inona na inona kilemantsika sy ny fahotana vitantsika. Mitsinjo sy miandry antsika amim-paharetana Andriamanitra, ary noho ny hamoram-pony sy ny fitiavany dia tsy afaka ny tsy handray antsika Izy. Sarobidy eo imason'Andriamanitra ny olona tsirairay, misokatra foana ny lalana miverina ao aminy handray antsika...
Nahoana no ela vao tonga tany amin'ny tany nampanantenaina ny zanak'Israely : satria vahoaka maro an-tapitrisany ireo ahitana ankizy, tanora, be antitra, bevohoka ka ireny isany nampiisatra ny dia, mila fandaminana matotra ; sady vahoaka samy manana ny heviny sy ny toetrany, maro ireo vahoaka nimenomenona, ary saika nanadino ny fisian'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny paka dia fiampitana avy amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa vaovao. Tamin'ny andron'Israely dia alina no fotoana nihinana ny zanak'ondrin'ny Paka, mba hanehoana fa Andriamanitra no manazava, Izy no manala ny vahoaka ao anatin'ny haizina mikitroka. Ny haizina voalaza eto dia ireo izay nihatra tamin'ny zanak'Israely : fanandevozana, famoretana, fanitsakitsahana ny zo maha-olona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny misongady amin'ny fanirahana an'i Môizy : famaritan'Andriamanitra ny tenany mivantana sy ny momba azy amin'ny zanak'Israely ; araka izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Môizy hoe : "Ilazao ny vahoaka fa Izaho ilay MISY", izany hoe, ilay eo an'ivon'ny vahoaka mandrakariva. Ny fanafahana ny vahoaka teo anatrehan'i Faraoana dia noho ireo toro-marika avy amin'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco