17 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 1-17

Ny Eglizy ara-baiboly dia izay miorina eo amin'i Piera ihany, noho ny fahefana avy amin'i Jesoa Kristy, ka manana adidy hamehy sy hamaha hatrety an-tany ka hatrany an-danitra. Azo lazaina hoe fahefana "miendrika fanompoana" eo an-tanan'i Piera sy ny dimbiny. Ny Eglizy dia zava-dalina miafina ao amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny Eglizy reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

16 desambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo— Ho avy ny Tompo, tsenao izy; Izy no Mpanjakan’ny fiadanana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27

15 desambra 2024 — Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo— Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 10-18)

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...