21 ôktôbra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 13-21)

Ny fanamafisana ny fifankatiavana eo amin'ny mpianakavy dia ny vavaka. Manampy amin'ny fiombonan'ny fianakaviana ny vavaka : vavaka alohan'ny sakafo, alohan'ny hatory, fanolorana ny andro... Azo hitarina amin'ny mpiray tanàna ny fiaraha-mivavaka, mampivelatra ny fifandraisana sy ny fifankatiavana, tsara ny mifanentana amin'ny fitiavam-bavaka... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny fampianaran'ny Eglizy dia vina misy dingana maro : fiomanana, famakiana ny tenin'Andriamanitra, fandinihana izay teny novakiana, ny vavaka atao, ny fibanjinana sy ny asa hikatrohana vokatry ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra. Mba hanampy antsika dia tsara raha manaraka izay vaki-teny aroson'ny Eglizy hatrany, mifanaraka amin'ny litorjia...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

20 ôktôbra 2024 — Alahady Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 35-45)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...