Niabo ny vokatra azo tamin’ilay tetik’asa niarahan’ny Réseau SOA sy ny tambazotra iraisam-pirenena hoan’ny Fanofanana Ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra na ny RI-FAR nanatanteraka. Tetik’asa nandritra ny roa taona nanomboka ny volana septambra 2023 ary nifarana ny volana septambra lasa teo...
Ho fanesorana ny firenena anatin'ny olana misy ankehitriny dia ilay any finiavana, anjara biriky hisian'ny fifanajàna sy fihavanana, fifampihainoana ary fifanampiana. Miainga sy miankina amin'ny tsirairay ny mety hatsara ny fiainam-pirenena, mifototra indrindra amin'ny firaisan-kina. Firaisan-kina mitondra amin'ny fivoarana sy fandrosoana, hiteraka filaminana. Miorina amin'ny safidy ihany koa anefa ny lalam-piainana rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Maro an'isa eto Madagasikara ny tanora, hery lehibe ho an'ny firenena izy ireo. Azo atao tsara ny manomana sy manome asa sahaza ho azy ireny. Isan'izany ny fametrahana ireo tanora ho amin'ny asa famokarana eny ambanivohitra. Madagasikara rahateo firenena mbola mifototra amin'ny famokarana satria ny maro an'isa dia eny ambanivohitra avokoa. Isan’ireo tanora nisitraka fanohanana amin’ny fandraharahana momba ny asa famokarana eny ambanivohitra izay Ramatoa RAZAFIARILALA Julie, tanora tantsaha avy ao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo ao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo ato amin’ny faritra Analamanga...
Eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona dia tandra vadi-koditra ny fisendrana olana izay miseho amin'ny endriny maro samihafa. Azo avadika ho fiombonam-piainan'ny fianakaviana anefa izany rehefa hiarahana mitady ny vahaolana, indrindra ao anatin'ny fianakaviana ka hamelona fanantenana ho an'izany fianakaviana izany. Indrindra raha apetraka hialoha lalana eo ampamahana ny olana Andriamanitra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco