Ny fahavanonana dia manosika ny olona hanao zavatra tsara, milamina, mirindra mba hiteraka vokatra tsara. Ny fampandrosoana dia tsy feno ary mety tsy hisy mihitsy raha toa ka tsy eo ny "fahavanonana". Ny fifankahalana, ny risoriso, ny tsy fifampitokisana dia sakafo ratsy omentsika ny fo ary taratry ny tsy fisian'ny fahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ny asa fivelomana dia asa miantoka ny fiainana mba ahafahana mivelona, misy vokatra mahavelona ho an'ny tenanao sy ny toeram-piasana. Ny asa dia mivoatra ary ilaina mivoatra manaraka izay koa ny fomba fisainana. Ny asa no tomombana dia noho ny fanomezan-danja ny lafiny ara-teknika sy ny arak'olona. Ny olona ao anatin'ny fitoniana ara-tsaina sy ara-batana, lavitry ny horohoro, dia mamokatra tsara....
Ny sira mineraly dia singa kely ilain'ny vatana isanandro, tsy vokarin'ny vatana fa entin'ny sakafo. Misy karazany roa ny sira mineraly ireo lehibe kokoa sy ireo madinika : ny calcium, phosphore, potassium, chlore, magnesium ; iode, fer, Zinc. Miteraka tsy fahasalamana ny tsy fahampian'ny sira mineraly noho izany dia ilaina hatrany ny manao fitilina raha vao misy tranga mampiahiahy amin'ny fahasalamana...
Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco