♦ Nahitsy ny Filohan'ny CAF teo aloha sady Filohan'ny FMF teo aloha, Ahmad, nilaza fa kisendrasendra raha handeha ny baolina kitra malagasy, amin'izao endriny misy ankehitriny izao... ♦ Mangataka ny fampitsaharana ny asa fanamboaran-dàlana miainga eny Andranotapahana mankety Ivato, ireo manana tany voakasik'izany. Mbola minia manohy ny asa hatrany ny orinasa ankehitriny na dia efa eny amin'ny Filankevi-panjakana aza ny raharaha... ♦ Nitondra fandaminana vaovao amin'ny tsena ao Analakely indray ny mpitantana ny Kaominina ankehitriny. Hafindra toerana ary hoferana ny fotoana hivarotan'ireo mpivarotra amoron-dàlana...
Ao anatin'ny vatana tomady no misy ny saina matsilo. Misy ny mari-drefy ara-pahasalamana manamarina ny fahasalaman'ny vatana toy ny tahan'ny tosi-dra [8-12], eo koa ohatra ny lanja ara-pahasalamana na ny IMC [18,5 - 25], eo ihany anefa ny fitiliana. Rehefa manana vatana salama ny vahoaka dia mandroso ny firenena. Misy toetra azo anamarihana ny hoe manana saina matsilo : tia karokaroka, afaka miaina ny zavatra misy, fahafahana mipetraka amin'ny toeran'ny hafa... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Nandao tanteraka ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa Razanamahasoa Christine, ao anatin'izao famaramparanana ny fe-potoam-piasan'ny Solombavam-bahoaka izao... ♦ Mbola mihisatra ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara, hoy ny Filohan'ny Kômity Mitandro ny Fahitsiana, na ny CSI... ♦ Mbola misy fanantenana kely ny hahafahan'ny Barea milalao amin'ny kianja eny Mahamasina amin'ny volana jona, hoy ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy...
Ny fisafidianana vady? sahirana ny tanora, maro ireo olona hisafidianana. Ohatra fanta-daza ny ao amin'ny Jenezy 24 : Nanomboka tamin'i Abrahama, rain'i Isaaka, izay nitady vady ho an'ny zanany. Tsy maintsy tanterahina ve io tolo-kevitra aroso ao amin'ny Jenezy 24 io izany hoe ny ray no misafidy izay ho vadin' ny zanany. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco