3 jona 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)
♦ Fananganan-tsaina sy firedonana ny Hiram-pirenena, teny anoloan'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra androany, no nanombohana ôfisialy ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan'ny Fahaleovan-tena... ♦ Miverina mandeha ankehitriny ny fitaterana an-dalamby TCE, mampitohy an'i Moramanga sy Toamasina... ♦ Fiara 14 no hanatanteraka ny hetsika "Sarobidy ny aiko" amin'ny alalan'ny "Caravane de la santé" ; niainga teny amin'ny Kianja Barea, androany...
♦ Mirary soa sy mankahery ny ankizy manerana ny Nosy noho ny fankalazana ny volan'ny ankizy ny Aomônie Nasionalin'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy, P. Rodolphe Rafenoarisoa... ♦ Nanentana ny mpino hahay hifampihaino sy hifanompo i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, tamin'ny famaranana ny volan'i Masina Maria, ny 31 mey 2023... ♦ Nomarihana tao Antanimalandy Mahajanga, tamin'ny alahadin'ny Pantekôty ny faha-320 taonan'ny Fikambanana "Spiritains"...
Voalohan'ny volana jona, andro eran-tany ho an'ny ronono. Andro anentanana ny olona rehetra mba hisotro sy hihinana na hanjifa ny vokatra avy amin'ny ronono. Nanomboka tamin'ny taona 2001 no nivohy azy io ny Sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny Fambolena na ny FAO fa ny taona 2017 isika teto Madagasikara vao nanomboka nankalaza azy voalohany noho fitarihana nataon'ny Malagasy Dairy Board na ny MDB sy ny ministera nisahana ny fiompiana tamin'izany fotoana izany ary dia notohizana taty aoriana...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco