Rehefa ampy fahalalana amin'ny fampisana ny fitaovam-pifandraisana dia mitombo ihany koa ny fahalalana, mirindra ny fiainana ao an-trano. Mivelatra ny fifandraisana amin'ny fiaraha-monina, mitombo ny fahalalana ny zava-misy toy ny fahalalam-baovao. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Maria, tahaka ny nahateo anilantsika azy nandritra ny fiainantsika manontolo, dia ho eo anilantsika koa izy amin'ny ora hahafatesantsika. Ao amin'ny vavaka angatahantsika aminy, any amin'ny faran'ny Fiarahaban'ny Anjely, amin'ireny fotoana ireny isika dia mangataka aminy handray ny tanantsika sy hanampy antsika hitsangana ka hiazakazaka hanatona an'i Jesoa, Ilay Tompon'ny fiainantsika. Hasivianandro fanomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahasivy.
23 mey 2023 — Talata, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mangataka amin’ny Ray Aho, hoy ny Tompo, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, izay ho eo aminareo mandrakariva — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11)
♦ Nametraka fepetra mialoha ny hiverenany handray ny asa fitaterana solika ny Fikambanan'ny Mpitatitra matihanina amin'ny solika, APTH, izay efa tsy nampiakatra solika hotaterin'ireo fiarabe, nanomboka sabotsy teo... ♦ Lany nasiam-panovana sy nasiam-panitsiana teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara tamin'ny 9 marsa 2023... ♦ Tontosa androany ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana an-dRamatoa Rakotoniaina Narindra Navalona, Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco