♦ Ho tonga amin'ny herinandro ny hélicoptère lehibe mpitaona entana, afaka hamatsy sakafo ireo disitrika izay saro-dalana amin'izao fotoana izao... ♦ 47 taona katroka androany ny nahafaty ny Kôlônely Ratsimandrava Richard. Misy hatrany isan-taona ny fahatsiarovana azy eny amin'ny Tsangambato Ambohijatovo Ambony... ♦ Efa misokatra amin'izao fotoana izao ny tranokalan'ny OJM na ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara...

Teny finoana ho an'ny Eglizy katolika ny nampakarana any an-danitra i Masina Maria, izay nambaran'ny Papa Pie XII tamin'ny alalan'ny constitution apostolique "Munificentissimus Deus", ny 01 novambra 1950, constitution apostolique. Ilay Renin'Andriamanitra virjiny madio indrindra, rehefa nahavita ny fiainana teto an-tany dia nakarina vatana sy fanahy any amin'ny voninhaitry ny lanitra. Fandalinana momba an'i Masina Maria miaraka amin'i P. Hervé Solofoarimanana

♦ Sorona Masina sy fizarana ny Sakramentan'ny marary ary famangiana marary no nanamarihana ny Andro Eran-tany ho an'ny marary androany, tao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Miantso voin-kava-mahatratra, noho ny takaitran'ny rivodoza Batsirai, amin'ireo katôlika rehetra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Hivahiny any Malta ny Papa François, ny 2 sy 3 aprily 2022...

♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe ireo vadintany sy mpanao lavanty manerana an'i Madagasikara, manomboka amin'ny alatsinainy izao... ♦ Tsy misy fiovana ny datim-panadinana amin'ity taom-pianarana ity, na teo aza ny valan'aretina sy ny faharatsian'ny toetrandro... ♦ Mijanona ho 94 hatramin'izao ireo namoy ny ainy vokatry ny rivodoza, raha ny tatitra avy amin'ny BNGRC...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...