Ny fery-fanaviana dia avy amin'ny tsimok'aretina iray izay mety hisy fiantraikany amin'ny taova hafa ankoatry ny hoditra na ny taovam-pananahana. Izy io dia mety hakasika ny ati-maso. Ny fery-fanaviana dia avy amin'ny tsimok'aretina, "Herpes Simplex Virus", na HSV, izay misy karazany 2: HSV1 sy HSV2...
♦ Tano 1 080 isa, no may, olona maherin'ny 6 000 no tra-boina vokatry ny hain-trano mampivarahontsana tao antampon-tanànan'i Farafangàna, alina... ♦ Naneho ny tsy fahafaliany ireo mpitsabo eny amin'ny HJRA, ho firaisan-kina amin'ireo mpitsabo roa nosamborin'ny polisy, nampidirina am-ponja vonjimaika, noho ny fiahiana ho nampadositra an'i Eddy boid de rose... ♦ Manaitra ny rehetra, roa taona aty alohan'ny fifidianana amin'ny 2023 ny CFM, nikaro-bahaolana hisorohana olana...
♦ Simba nho ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny 44%-ny ala eto Madagasikara tao anatin'ny 60 taona. Misy ny tetik'asa "Biodev 2030" hampiarina manoloana izany... ♦ Miantso ny fanjakàna sy ny mpampiasa tsy hanao tsinotsinona ny fitakiana sendikaly ny SSM, tsy mety hoy izy ireo ny fiheverana fa manao politika ny sendika... ♦ Hampitsahatra ny fampianarana amin'ny sekolim-panjakàna rehetra any amin'ny Faritra Fitovinany ireo mpampianatra Fram, noho ny fandrirarirana nataon'ny DREN...
Zava-dehibe ny dinika hatao eo anatrehan'ny Pretra sy ny fianankaviana. Ny dinika dia fandalinana ny maha sakramenta satria masina ny mariazy ary antso. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco