♦ Tinapaka nandritra ny COPRIES fa ny 04 oktobra izao ny daty fidirana ho an'ny Oniversite... ♦ Tsy mbola hiroso amin'ny fitakiana hetra amin'ireo sekoly tsy miankina ny fanjakàna, hoy ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola... ♦ Hikarakara hetsika fifanohanana sy fifanampiana eny amin'ny Esca Antanimena ny fikambanana Mada-Triso amin'ny sabotsy heriny anio... 

♦ Fonja voalohany manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny any Imerintsiatosika hoy ny Filohan'ny repoblika... ♦ Miantso ny fitondram-panjakàna hanafoana ny fameram-bidy amin'ny fivarotana lavanila any ivelany ireo fiaraha-monim-pirenena avy any amin'ny Faritra Sava sy Analanjirofo... ♦ Ny akon'ny dinika nitadiavam-bahaolana amin'ny seha-pitanterana ato amin'ny distrika Ambohidratrimo...

Maria virijiny dia olona mendrika, maha te ho tia. Ao anatin'ny fifampiresahana tamin'i Maria sy ny anjely : ny ARAHABA dia mitovy amin'ny MIFALIA, izay manasongadina fa feno hasoavana izy ary io hasoavana io no miteraka hafaliana feno. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Sabotsy 18 septambra 2021 — Herinandro fahefatra amby roapolo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 4-15

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...