Tsapa ankehitriny fa ny "fihibohana" vokatry ny ady amin'ny Covid-19, dia mampiharihary ireo elanelana misy eo amin'ny Vahoaka sy ny Mpitondra, ny mpanankarena sy ny mahantra. Maro ireo mihidy amin'ny tenany sy ny ankohonany ka tsy afaka mivelatra amin'ny asany. Katesizy momba ny Asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Alatsinainy 28 jona 2021 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 18-22
Tsy misy dikany ny asantsika raha tsy arahim-bavaka. Ny finoana no harena lehibe indrindra ananan'ny mahantra, ary zava-dehibe ny anambaràna sy anatevenana an'io finoana io. Mpamafy isika ary izay mamafy dia manao izany ao anaty fanantenana. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Alahady 27 jona 2021 — Alahady fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 21-43
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco