♦ Afaka adiny efatra no hizotra any Bahir Dar Ethiopia ny lalao ifanandrinan'ny Barea sy ny Antiloppe Etiôpiana, ho fifanintsanana Can 2021... ♦ Miato manomboka anio ny fampianarana ho an'ny sampam-pianarana Siansa eny amin'ny Oniversitea an'Antananarivo. Voalaza ho anton'izany ny fiparitahan'ny Covid-19... ♦ Misaona indray ny tontolon'ny zava-kanto malagasy. Nodimandry androany maraina i Sammy Rabenirainy, ao amin'ny tarika Lôlô sy ny Tariny... 

Ny fitiavan-tanindrazana dia azo hadika ho fampandrosoana ny tanindrazana niaviana. Ny andron'ny 29 marsa dia tsy ampy hampahalalana ny maro ny atao hoe fitiavan-tanindrazana noho izany dia manana adidy ireo mpisehatra ao anatin'ny telozoron'ny fanabeazana. Ny raiamandreny, ny mpampianatra, ny mpianatra dia manana zavatra mampiavaka azy ho fanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Ny raiamandreny no mpanabe voalohany indrindra ka izy no hiaingan'ny fampianarana ny atao hoe fitiavanan-tanindrazana, isan'izany ny fomban-drazana sy ny fomba isam-paritra...

♦ Nahiditra hôpitaly  omaly hariva eny amin'ny Soavinandriana ny filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsirakasy ny vadiny. Voalaza fa tratran'ny aretina gripa izy ireo... ♦ Anio no hotanterahina ny fifidianana izay ho solontenan'ny Antenimiera roa tonta ho eo anivon'ny HCC... ♦ Hotanterahina anio tolak'andro any Bahir Dar ny lalao ifanandrinantsika amin'ny Ethiopia. Samy miandrandra fandresen'ny barea hiakarana any amin'ny Can 2021 indray ny mpitia baolina kitra malagasy...

Alarobia 24 marsa 2021 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 31-42

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...