Tsy azo fafana ny famindram-pon'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Na inona na inona fahotantsika olombelona dia Andriamanitra mamindrafo mandrakariva. Andriamanitra ihany no mahalala ny tso-drano izay nomeny antsika. Tahaka ny toetra ananan'Andriamanitra sy ny famindram-pony dia antenainy iska mba hisokatra sy hihatsarana ihany koa... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
28 septambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 44b-45)
♦ Tsy afaka mirotsaka ho Ben'ny Tanàna any Fianarantsoa, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Christine Razanamahasoa... ♦ Fampiroboroboana ny dinika sôsialy eny anivon'ny orinasa, no niadian-kevitra sy nasongadina, nandritra ny fanamarihana ny andro natokana ho an'ny Ivom-pirenena momba ny asa... ♦ Niadian-kevitra an-databatra boribory, niarahan'ny CREA sy ny Ivontoerana fikarohana ho an'ny fampandrosoana eo anivon'ny Université Catholique de Madagascar, ny fanomezan-danja ny maha olona...
♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco