♦ Mametram-panontaniana ny DINEC foibem-pitondrana nasiônalin'ny fampianarana katolika hoe : Tena voka-panadinana tena izy ve no nivoaka tamin'ny fanadinam-panjakàna tamin'ny taom-pianarana 2024-2025 teo... ♦ Tokony araraotina ny maha-filoha mpitarika an'i Madagasikara ny vondrona SADC, mba ahafantsika manondrana vokatra any amin'ity vondrona ity hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana...♦ Seranantsambo maromaro eto Madagasikara no hitarina sy asiam-panavaozana, tanjona ny hampitomboana ny entana kirakiraina ao amin'ny seranana rehetra eto Madagasikara...

♦ Notafihan'ny dahalo mitam-piadiana ny sabotsy teo tao amin'ny Fokontany Saririaky, Kaominina Ankilimalinike, Distrikan'i Toliara-II, dahalo iray no maty, ary zandary iray naratra vokatr'izany. Nitsipaka izany ny fikambanana Mazoto ka nilaza fa tsy dahalo io voatifitra io fa olona niaro ny taniny... ♦ Nitombo avo efatra heny ny vokatra trondro tilapia sy carpe eto Madagasikara ankehitriny, raha oharina tamin'ny efa-taona lasa... ♦ Nanolotra soso-kevitra ho an'ny CENI mba hanatsarana ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara, Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Hampiantrano ny fivorian'ireo Firenena Arabo androany ny any Qatar, mikasika ny raharaha ao Proche-Orient...

Tsapa tato anatin’ny iray volana teo ho eo izay, fa nihamafy ny fahatapahan-jiro mifandimby lavareny na delestazy tao an-drenivohitra sy ny manodidina. Tapaka hatramin’ny ora maromaro mihitsy, ary miverina indroa na intelo izany ao anatin’ny andro iray.

Ao anatin'ny sarotra dia manokatra lalana ho antsika olombelona foana Andriamanitra ; porofon'izany ny naharendrika sy nahafaty ny tafik'i Faraôna, nanokatra ny ranomasina nizara ho roa Andriamanitra ary afaka nandia tany maina y vahoakan'Israely. Miditra amin'ny tantaran'olombelona mpifahavalo Andriamanitra, mandresy ny fahotana. Nijanona tao Sinaia nandritra ny 2 taona ny Israeliana, izay zary ho vahoakan'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...