Tahaka ny fananan-javatra maromaro ihany ny fananam-bady maromaro ; noho izany ny karazam-piraisana ateraky ny fampirafesana dia mampitovy ny olona iray amin'ny fananana na fitaovana fa tsy mba firaisana feno sy lalina ary manontolo. Ny vehivavy tsirairay dia samy maniry hanana ilay lehilahy ho azy irery manontolo fa tsy iombonany amin'ny hafa, izay tsy ho lavorary raha tsy marina ny itiavana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
23 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 40-49)
♦ Nahomby ny andrana ara-teknika natao androany maraina tamin'ireo cabines telo amin'ilay fitaterana an-tariby, tamin'ny zotra mampitohy ny Gara Anosy sy Soarano... ♦ Antony iray mahatonga ny fiovan'ny toetrandro ny entona mangeja hafanana, ateraky ny fitaterana an-tanan-dehibe sy ny fitaterana manerana ny nosy... ♦ Tanora sy vehivavy miisa 40 avy amin'ny fikambanana tsy miankina samihafa no miatrika fiofanana mahakasika ny lalàna mifehy ny fananan-tany...
♦ Naaton'ny ministeran'ny kolontsaina sy ny serasera ny fahafahan'ny Radio Fivoarana ao amin'ny Distrikan'Arivonimamo Faritra Itasy miasa... ♦ Mbola mampiasa ny fomba fanjonoana nentim-paharazana ny 80% amin'ny mpanjono eto Madagasikara, olana ho an'ity sehatr'asa ity ny tsy fisoratan'ireo mpanjono nentim-paharazana ara-panjakàna... ♦ Mangataka ny fanamafisana ny fampiharana ny lalàna sy ny famaizana an'ireo olona tratra manondrana antsokosoko ny zava-manan'aina ny COJEAA na ny Collectif des Organisations de Société Civile des Jeunes Engagées Atsimo Andrefana... ♦ Napetraka ho andro tsy fiasana fa hanomezam-boninahitra farany ny filoha Iraniana Ibrahim Raïssi ny anio Alarobia...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco