Ny olona velona dia tsy maintsy miasa, maro ny fampianaran'ny fiangonana mikasika ny maha zava-dehibe ny asa. Ny mpiandry ondry olona voalohany nahita ny zanak'Andriamanitra teraka dia olona nanana ny asany amin'ny maha mpiandry ondry azy ; toraka izany koa ireo majy olona mpandinika ny kintana sady nanana fanatitra saro-bidy izany hoe tsy olon'olom-poana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
28 desambra 2023 — Ireo zaza tsy manan-tsiny, Martiry — Fety — Midera Anao izahay, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny tafika manehoehon'ny martiry dia midera Anao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 2, 13-18)
♦Nisy nanafika alina ny tranon'ny Mompera ao Tanjomoha ao Vohipeno, izay misy ny ivon-toerana fitaizana ireo olona manana fahasembanana. Maty nandritra ny fifandonana ny mpiambina... ♦ Naato aloha ny famadihana ho zezika ireo vary simba tao amin'ny Vima ex-Sotema ao Mahajanga. Miparitaka mantsy ny feo fa efa misy mivarotra ao amin'ny Faritra Boeny ireo vary simba ireo... ♦ Hijoro sy hilanja ny faneva hametraka ny foto-kevitra nijoroan'ny antoko MFM ireo vato nasondrotry ny tany. Manentana ireo mpisehatra pôlitika hiara-hisalahy ao anatin'ny manda tehezana handala ny teny ierana sy ny fanovàna ny antoko izay mankalaza ny faha-51 taonany...
♦ Feno 51 taona katroka androany ny antoko MFM. Antoko nandray anjara hatrany tamin'ny raharaham-pirenena ny MFM tao anatin'izay fotoana izay, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko... ♦ Ahiana ny mety hisian'ny fiforonana tangoron-drahona ao amin'ny lakandranon'i Môzambika amin'ny faran'ny herinandro izao. Mety hifanitsy amin'ny fanaovam-beloma ny taona 2023 sy ny fitsenàna ny taona vaovao ny toetr'andro ratsy aterak'izany... ♦ Tapaka ny lalam-pirenena faha-4 mankany Mahajanga noho ny fahasimban'ny tetezam-by ao Antsevabe. Miato ora maromaro isan'andro ny fifamoivoizana any an-toerana, noho ny fanamboarana hatramin'ny 2 janoary 2024 izao...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco