13 nôvambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)
Ny fiangonana mampianatra mikasika ny fiaraha-monina sy ny hay fitantanana ary ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny ho an'ny vahoaka. Ny fiangonana dia mampianatra fa ny fahefana rehetra dia avy amin'Andriamanitra, natao hikatsaka ny soa iombonana ary ihany koa tsy manavakavaka ; mifanaja sy mifampitaona ho amin'ny fiombonana sy ny fihavanana.
Azontsika raisina ho ohatra ny tamin'ny andron'i Jeroboama (VIII°) izay nampiroborobo ny Fanjakàn'Israely (Oziasa no mpanjakan'i Joda Am 1,1) saingy nivangongo teo an-tanan'olombitsy ny harena fa ny mahantra kosa miha-mahantra isanandro. Nijoro sy niteny mafy i Amosa mpaminany ka niampanga ny tsy rariny nanjaka teo amin'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
12 nôvambra 2023 — Alahady Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco