27 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 6. 12-14)
Misy ny fahatongavan-tsaina rehefa mihatra ny voina, ohatra rehefa tondraka ny rano, mihotsaka ny tany, rehefa mihantona ny orana, miakatra be ny hafanana ; saingy fifanomezan-tsiny no mahazo laka ; adino fa samy tompon'andraikitra amin'ny zava-misy izay nanao antsirambina. Maro ireo andro iraisam-pirenena na eran-tany hanomezana lanja ny mikasika ny tontolo iainana. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
26 jona 2023 — Fetim-pirenena Malagasy — Ny fonenako ho eo ambonin'izy ireo, hoy ny Tompo. Izaho ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy ireo ho vahoakako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio (Mt. 6, 31-34)
Manana adidy amin'ny fireneny sy ny tanindrazany ny olona tsirairy. Hasin'ny Firenena sy ny hasin'ny vahoaka ao amin'ny dia mifamatotra tanteraka ary mifamatotra tanteraka ihany koa amin'ny didy fahaefatra amin'ny didin'Andriamanitra dia ny hoe "manajà ny ray aman-dreninao mba ho ela velona ianao". Tsy ampy ny fanajana ny ray aman-dreny fotsiny fa manana adidy ihany koa isika mba hanaja ny manodidina antsika, ny mpiara-monina ary ny mpiray tanindrazana sy firenena.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco