♦ Ho tanterahina amin'ny taona ho avy ny fihaonambem-paritra hiarahan'ireo Faritra 23 eto Madagasikara sy ireo Faritra ary departemantan'ny Frantsay miisa 10... ♦ Manodidina ny 777 miliara Ariary ny vola very, tokony niditra tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, tamin'ny fivarotana volamena tany ivelany, teo anelanelan'ny 2018-2021... ♦ Saron'ny mpiasan'ny fadin-tseranana, afakomaly tany Toliary ny basy miisa 10 sy bala maro, voalaza ho tsy ara-dalàna, tany amin'ny seranam-piaramanidina Toliary ; efa mandeha ny fanadihadiana...

Ny atao hoe zava-mahadomelina : zavatra hampidirina amin'ny vatana ary manakorontana ny asa voanjanaharin'ny taova ao anaty, ary mety mahafaty ihany koa, na ihany koa atao hoe poizina. Ny zava-mahadomelina dia manova ny fomba fandinihana sy ny fomba fandraisana ny zava-misy, ary ny fitadidiana. Ny zava-mahadomelina dia mitarika fiankinan-doha. Ny kafe dia tsy ao anatin'ny sokajin'ny zava-madomelina satria tsy manova ny fomba fandinihana zavatra iray. Fandaharana "amperala miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco...

♦ Ny 70,80% amin'ny mpifidy voasoratra anarana ankehitriny no voadio. Mbola manana hatramin'ny 31 mey izao ny olom-pirenena, hanatonana indray ny eny anivon'ny Fokontany, hanamarinany ny anarany... ♦ Niantso ny mpitondra Fanjakana hanaja ny fahafahan'ny rehetra maneho hevitra ny antoko Malagasy Miara-Miainga... ♦ Arindra sy hamafisina ny fiaraha-miasan'ny miaramila, ny pôlisy ary ny zandary, hametrahana fandriam-pahalemana eto amin'ny firenena, hiatrehan'ny Malagasy ny fifidianana am-pitoniana... ♦ Farafahakeliny 50 isa ny olona maty tany Birmanie omaly, vokatry ny daroka baomba nataon'ny mpioko izay eo amin'ny fitondrana ankehitriny...

Fangorahana sy famindram-po, toe-tsaina ilàna fizàrana na fahazarana. Tsy hoe fihetseham-po mandeha ho azy ny mangoraka sy ny mamindra fo fa toetra   volena   mba   hanahafana   an’Andriamanitra   mangoraka   ny   vahoakany   sy mangoraka   azy   amin’ny   halemeny. Tsy hisy hahatsapa ho tena sambatra raha mbola misy ny mijaly. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry. 

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...