Maro dia maro ny fomba amam-panaon'ny olona isan'ambaratongany hita fa tsy mampiroborobo ny fahasalamana fa vao maika mampitombo ny aretina aza. Mila maka lesona amin'ireny hitondra mankany amin'ny fahasalamana tsara kokoa. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.
♦ Andrasana ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo Madagascar, mahakasika ny fivoaran'ilay rivodoza Cheneso... ♦ Efa maherin'ny 2000 ireo olona tra-boina, ka 214 no voatery nafindra toerana vonjimaika, araka ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC, vokatr'ity rivodoza ity... ♦ Tsy misy atahorana ny fandoavana ny karaman'ny mpiasam-panjakana, hoy ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola...
Ny fankamasinana ny andro alahady dia tsy miankina amin'ny safidy ho an'ny Kristiana vita Batemy satria didin'Andriamanitra. Ny atao hoe zanaka hendry dia ny fahaizany manatanteraka ny didy sy ny sitrapon'ny ray aman-dreniny. Ilaina ny mifandresy lahatra sy mifanentana mba hanaraka an'Andriamanitra sy ny sitra-pony. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Zoma 20 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco