07 desambra — Teraka ny 340 tao Trèves i Ambroise, taona nahafatesan'i Constantin II. Ambrosius no anaran'ny rainy, mpiasam-panjakana izy io, préfet du prétoire des Gaules. Teo amin'ny fahadimy amby roapolo taonany izy no lasa mpiasam-panjakana ambony, toa an-drainy ihany koa, tamin'ny fitantanana ny fanjakan'ny amperora tao Roma.
Tsy vitan'ny hoe mangataka amin'Andriamanitra mba hanana "hatsaram-panahy maha bitika" isika fa mila miditra amin'ny sekolin'i Jesoa Kristy, Ilay malemy fanahy sy manetri-tena ao am-po mba hianatra ny halemem-panahiny. Ny fitiavana dia miseho amin'ny alalan'ny fahafoizan-tena, fahafoizana fotoana. Mila malemy fanahy tahaka an'i Jesoa Kristy isika amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fifanampiana. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Alarobia 7 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30
♦ Nahemotra ho amin'ny 31 janoary 2023, ny fotoam-pitsarana an'i Mahery Lanto Manandafy, izay saika notanterahana androany... ♦ Nomarihana androany ny andro natokana ho an'ny indostria aty Afrika. Nambaran'ny Minisitra Edgard Razafindravahy, fa efa eto Madagasikara ny antsasaky ny fitaovana hananganana indostria miisa 72, manerana ny nosy... ♦ Manana andraikitra amin'ny ady atao amin'ny fihafanan'ny toe-tany ny Orange Madagascar. Nampahafantatra ny momba izany, nandritra ny tafa ho an'ny mpanao gazety, ny Tale Jeneraliny...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco