Araka ny finoantsika dia tena olombelona i Jesoa sady tena Andriamanitra, ka tahaka ny olombelona rehetra dia mila volavolaina sy beazina ny maha olona manontolo : vatana, saina, ary ny fo amam-panahy. Fototry ny maha-olon ny vatana, saina, fanahy koa tsy misy azo atao antsirambina.  Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Alarobia 19 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 39-48

♦ Nesorin'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, tsy ho isan'ny mpikambana ao amin'ny Governemanta Ntsay Christian, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Randriamandranto Richard. Ny Ministry ny Fiarovam-pirenena, Rakotonirina Richard no misolo toerana azy vonjy maika... ♦ Tsy azo ekena, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, ireo depiote mihoa-pefy, mitsabaka manao ny asan'ny manam-pahefana mpanatanteraka. Nisokatra androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Andrim-panjakana mpanao lalana eto Madagasikara...

♦ Sokafa amin'ny fomba ôfisialy izao antoandro izao ny fivoriana ara-potoana faharoa eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Anisan'ny tena andrasan'ny maro ny mety hampiantsoana ireo Solombavam-bahoaka voarohirohy amin'ny raharaha fandikan-dalana... ♦ Tsy maintsy ampanarahana ny fenitra avoakan'ny LNTPB avokoa atsy ho atsy ny fanamboarana biriky fanorenan-trano... ♦ Mbola hitohy ato anatin'ny dimy taona ny fanampian'ny USAID an'i Madagasikara amin'ny sehatry ny rano. Hisy tetikasa maromaro hotanterahana, hanadiovana ny tanan-dehibe sy hamatsiana rano ny tontolo ambanivohitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...