24 septambra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Masimbavy Thècle izay resahana amin’ity androany ity. Avy ao amin’ny tanana antsoina hoe Iconium izy, ao Asie Mineure io. Zanak’olona mpanompo sampy sady mpanan-karena i Thècle, Théoclie no reniny.

Ny Papa Fransoa dia mampianatra antsika ny lanjan'ny vehivavy eo imason'Andriamanitra : fanivaivana an'Andriamanitra izay natera-behivavy, hoy izy, ny herisetra amin'ny endriny samy hafa atao amin'izy ireny, toy ny teny mandratra, horohorontsaina, ny tsy fanomezana vola hikarakarany ny tokantranony, ny fiheverana ny vehivavy ho toy ny fananan'ny lehilahy manokana. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Sabotsy 24 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 43b-45

♦ Ho azon'i Madagasikara tsy ho ela ilay "Tahiry maitso ho an'ny toetrandro", hoy ny Sekretera Jeneralin'ny ONU, tamin'ny Filoha Malagasy... ♦ Tsy maintsy haverina ho jerena, hitondrana fanitsiana ilay lalana mampitovy zo ny vehivavy sy ny lehilahy amin'ny fandraisana andraikitra ambony, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nitombo isa ny tahan'ny fitarainana voarain'ny Bianco tamin'ny taona 2021, raha mitaha amin'ny taona teo aloha...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...