♦ Tsy fidiny ny fampiasana basy nitarika fahafatesan'olona tany Ikongo, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, nandritra ny tatitry ny famotorana nataon'ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Naharitra 20 sengondra ny tifitra nataon'ny mpitandro ny filaminana tany Ikongo, raha ny fanadihadiana mahaleo tena CNIDH. Takian'ny CNIDH ny hamoahana ny vakoatry ny fanadihadiana sy ny fitondrana ny raharaha eny anivon'ny fitsarana...
16 septambra — I Masindahy Corneille dia zanak’i Castinus, fanta-daza tao Roma ny fianakaviana nipoiran’i Corneille. Tao aorian’ny nahafatesan’i papa Fabien ny 20 janoary 250 dia voafidy ho papa i Corneille, dimy ambin’ny folo volana tao aorian’io nahalasanan’ny papa Fabien io. Izany hoe ny taona 251.
Fanabeazana maha-olona no atao fa tsy sanatria fibaikoana biby. Koa raha manao adalana izy dia aoka ho ampahafantarina azy ny hadisoany : ampianaro handinika izy ; atoroy azy ny lala-mahitsy tokony hizorany ; hajao koa anefa ny safidy maha-olona azy satria ao anatin'ny fahafahana no maha hendry ny olombelona fa tsy ao anatin'ny fangejàna. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Zoma 16 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 1-3
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco