♦ Nifarana androany tamin'ny 3ora maraina ny fihaonana teo amin'ny antenimieram-pirenena sy ny mpikambana ao amin'ny governemanta. Ny loholona indray no handray azy ireo amin'ity anio ity... ♦ Nitrangàna fanafihana niampy fanolanana renim-pianakaviana niafara tamin'ny fahafatesana tao Ambohibary-Ambohimanga distrika Miarinarivo... ♦ Niverina nitokona indray noho ny tsy fandraisana karama ny mpandraharaha eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Miisa 4,7 tapitrisa ny mponina voakasika ny tondra-drano any amin'ny faritra Assam any Inde...
Mila ny fiainam-piaraha-monina ny olombelona, efa voajanahary izany. Eo amin'ny fiainam-piaraha-monina no hahitana ny fifampizarana amin'ny hafa, fifanampiana amin'ny asa ary ny fifanankalozan-kevitra. Ny sehatra ahafahana mampivelatra ny talenta dia ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 30 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8
♦ Maty vokatry ny fanolanana sy ny tsindron'antsy nahazo azy, nandritra ny fanafihana, ny renim-pianakaviana iray, tany Ambohibary Ambohimanga, Kaominina Mandiavato, Distrikan'i Miarinarivo. Mbola manahy amin'ny valifatin'ireo jiolahy ny fianakaviana voatafika... ♦ Nampitandrina amin'ny mety handraisan'ny Solombavam-bahoaka andraikitra manoloana ny olan'ny angovo, ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena... ♦ Ny zotram-piaramanidina miainga eto Madagasikara mankany Dubai hatramin'izao, no tena ahiana hisian'ny fanondranana harem-pirenena...
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco