♦ Namoaka fanambaràna ny antoko MMM, manoloana ny fivoaran'ny toe-draharaham-pirenena. Manana zo haneho hevitra an-kalalahana ny vahoaka, nefa tsy azo ekena ny fihoaram-pefy, hoy ny fanambaràna... ♦ Tovolahy iray no nidoboka am-ponja rehefa nosamborina teny amin'ny By-Pass tamin'ny fandalovan'ny fiara nitondra ny filoham-pirenena. Nanao fihetsika nanondro ambany ny ankihiben-tanany no voalaza fa nisamborana azy... ♦ Tsy hita ary mbola karohina hatramin'izao ny zanaky ny solombavambahoakan'i Mahabo, tokony niatrika famotorana azy tao Morondava ny herinandro teo. Voatonona anarana tamin'ny fiarahana tamin'i Soja, ilay dahalo raindahiny tany Mahabo izy...
Maro ny olana manosika ny olona hanao dokotera-tena. Ireny olana ireny no vahana dia hafaona ny fanaovana dokotera-tena. Ny tsy fisian'ny foto-drafitrasa dia ny ministera no mamaha azy. Ny olana amin'ny fomba fandraisana ny marary dia ny mpitsabo tsirairay no mila manaraka fitsipi-pitondrantena tsara. Ny olona tsirairay dia mila manao ezaka mba tsy hatongavana amin'ny fanaovana dokotera-tena, izany hoe manao ezaka mba ho salama lalandava.
Ny fombam-pitenena malagasy dia tsy mitovy amin'ny ohabolana satria ity farany ity dia fehezan-teny roa misy fanoharana ary hatarafana hanatra sy soatoavina maro. Ny fombam-pitenena dia andian-teny na fehezan-teny entina manohatra zavatra na trangan-javatra na olona na toetra. Ny fombam-pitenenana dia ampiasain'ireo mpampiasa azy mba hilazana zavatra ankolaka. Ny fombam-pitenena dia tsy azo heverina ho amin'izany toerany izany raha toa ka tsy voasedra tamin'ny fiaraha-monina sy nahatety vanim-potoana. Ohatra : Aina ity hoy Rainimanonja ; bingo mitehin-kiho...
♦ Hisorondrotra 100 Ariary mitaha amin'ny teo aloha ny saran'ny fitanteram-bahoaka eto Antananarivo manomboka anio. Izay no tapaka tamin'ny fihaonan'ny mpitatitra sy ny filoha teny amin'ny Lapan'Ambohitsirohitra omaly, manoloana ny fiakaran'ny vidin-tsolika... ♦ Nisondrotra nanomboka omaly ny saran-dalana amin'ny zotra nasiônaly miainga eto Antananarivo. Misy ireo efa tafakatra 140 000 Ariary, taorian'ny fisondrotan'ny vidin'ny solika, omaly... ♦ Miantso ny fitondràna hanao ezaka hisian'ny fandriam-pahalemana eto amintsika ny kardinaly Désiré Tsarahazana. Handositra an-drenivohitra avokoa ny tantsaha, hoy izy, raha manao hatsirambina isika...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco