Ny Fanjakana dia manana ny zo sy ny adidiny : manery ny olom-pirenena amin'ny fandraisana andraikitra. Ny fanjakana ihany koa dia mandrisika ny olom-pirenena mba hiaro azy fanjakàna tenany. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alahady 26 jona 2022 — Alahady fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Hanazava ny fontsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 51-62

Ny vanim-potoana ririnina dia mangatsiaka, tokony tsy hatao ambanin-javatra anefa ny fahadiovana : tanana, tongotra, vatana ary loha. Ny sokajin'olona rehetra dia tokony hidio daholo, zaza hatramin'ny lehibe ; ka in-droa isanandro raha vita dia ny maraina sy ny hariva. Ny olona tsy mandro dia tsy hahazo hafanana mihitsy satria tsy misokatra araka ny tokony ho izy ny maso-kodiny. Ny fahadiovana no fototry ny fahasalamana isan'izany ny akanjo sy vatana. Ilaina ny manao mafana satria raha magatsiaka loatra dia mandany hery "énergie" betsaka. Miezaha misakafo maro loko, madio sy mafana ary ara-potoana...

♦ Hibahan-toerana amin'izao vaovao antoandro izao ny fanadihadiana sy ny hetsika mifandraika amin'ny Fetim-pirenena... ♦ Mbola vitsy, satria tsy misy afa-tsy arivo ny isan'ny mpisolovava eto Madagasikara, ka ny eninjato amin'ireo dia miasa eto an-drenivohitra avokoa... ♦ Mivoatra ny tontolon'ny dihy eto Madagasikara, araka nambaran'ny Fikambanana Zarasoa, izay mankalaza ny fahafolo taonany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...