Alatsinainy 21 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 24-30

Tahirin-kevitra voalohany nantsoina hoe "ansiklika" izany hoe : nalefan'ny Papa Joany faha-23, ho an'ny olombelona tsara sitrapo rehetra. Ansiklika mampahatsiahy ireo manan-jo ho velona sy hisafidy ny fivavahana, ny endrim-piainany ny tsirairay. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alahady 20 marsa 2022 — Alahady fahatelo amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 1-9

Ny raboka "tuberculose" dia aretina azo avy amin'ny otrik'aretina "bacile de Koch" na BK, izay haparitaky ny marary, tsy voatsabo, eny amin'ny rivotra iainana. Ny faritra mety hisehoany dia ny aretina amin'ny endrika maro: ny ao amin'ny tratra, ny anaty  avokaoka na ivelany, ny amin'ny hoditra, taolana, ny atodi-tarimo. Fambara : fisian'ny kohoka 2 herinandro, manavy, tsemboka amin'ny alina, malain-komana, mihamahia, rera-dava, marary ny tratra, misy rà ny rehoka. Enim-bola eo ho eo ny faharetan'ny fitsaboana izay maimaimpoana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...