Ry kristianina havana, rentsika matetika ary tsianjery ho an’ny ankizy mihitsy aza ny hoe "manomboka amin’ny alalan’ny alarobian’ny lavenona ny karemy", ary "maharitra 40 andro". Ny zavatra hita sy tsapa dia miezaka ny isam-piangonana sy ny fikambanana masina mikarakara sy manomana an’ity fotoan-dehibe ho an’ny fibebahana ity, mba hiainan’ny kritianina isan-tsokajiny sy amin’ny salan-taonany avy : na ny kely na ny lehibe an’izany Karemy izany.
Alarobia 2 marsa 2022 — Fanosorana lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18
♦ Manaja ny tsy fiandaniana i Madagasikara manoloana ny ady eo amin'i Russie sy Ukraine, hoy ny Praiministra, raha naneho hevitra izy, tao aorian'ny ady sisika nataon'ny diplaomaty samihafa misarika antsika hanohana izay tohanany... ♦ Tokony hatao laharam-pahamehana ny fiaraha-midinika hikatsahana fitoniana eto amin'ny firenena mialoha ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny CFM... ♦ Nozaraina nanaomboka androany, hatramin'ny zoma ho avy izao ny karatra ampiasain'ny mpianatra eny amin'ny sekoly Polytechnique Vontovorona, ahafahana mandray ny vatsim-pianarana...
♦ Miantso ny fitondrana malagasy tsy hiandany amin'ny atsy na ny eroa ny Antoko Politika Madio, manoloana ny antso ataon'ireo masoivoho vahiny amin'ny raharaha any Ukraine, tokony hitady vahaolana amin'ny toe-karem-pirenena sahady hoy ny APM... ♦ Raikitra nanomboka ny antoandro teo ny fitokonan'ny mpianatry ny Polytechnique Vontovorona. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filamaninana hifehy ny hetsika... ♦ Natolotra ny fampanoavana omaly ireo olona roa voarohirohy tamin'ilay fanapahan-doha zazavavikely roa tany Ambatondrazaka, efa nahiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany izy ireo...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco