Ny fiaraha-monina dia mifototra amin'ny fahaiza-miaina. Amin'ny ankapobeny, nahoana no tsy voaray ny fanabeazana momba ny fampanajàna ny fitsipi-pifehezana eny anivon'ny sekoly. Ny sekoly no isan'ireo sehatra afaka manitsy ny ankizy ara-pitondrantena. Ny ankohonana dia sekoly voalohany, tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazana sy fampanajàna ny fitsipi-pifehezana...

♦ Olona 10 no fantatra fa namoy ny ainy omaly, vokatry ny rotsak'orana nisy teo Antananarivo sy ny manodidina araka ny tatitra nataon'ny BNGRC... ♦ Hitohy hatrany anio sy rahampitso ny rotsak'orana ary mety mbola ho mafimafy kokoa noho ny afak'omaly sy ny omaly izany, ka tena tokony ho mailo ny rehetra... ♦ Ny fananganana orinasa ihany no vahaolana maharitra hifehezana sy hiadiana amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana hoy ny ministra Edgard Razafindravahy...

Andriamanitra miantso ny rehetra ho amin'ny fahamasinana. Ny olomasina ihany no afaka mihaona amin'Andriamanitra. Ny teny hoe "antso" dia midika hoe "vocation" nakoa hoe "appel" izay avy amin'ny teny grika hoe "Klesis". Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alarobia 19 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...