♦ Ny fanentanana ny olom-pirenena hazoto handry anjara amin'ny fifidianana no tokony imasoana fa tsy ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana, hoy ny Ong Tolotsoa... ♦ Mangataka amin'ny Ministera mpiahy mba hamerina ny fampianarana amin'ity herinandro ity ny vondron'ireo sekoly tsy miankina eto Madagasikara... ♦ Lalana maro kosa no tapaka ankehitriny, toy ny any amin'ny lalam-pirenena faha-6 sy ny lalam-pirenena faha-33B...
♦ Faritra iray eto Madagasikara ihany no tsy nahitàna tranga vaovao amin'ny Covid-19. Nihena anefa ny tranga vaovao saingy nitombo ireo lavon'ny valanaretina... ♦ Hanohy ny fihaonana hitadiavam-bahaolana amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana miaraka amin'ny Vondrona Panorama anio ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMF... ♦ Namaritra toerana hivarotra eny amin'ny toerana fandehanana an-tongotra ny Kaominina Antananarivo renivohitra...
Solon-tenan'Andriamanitra sady solon-tenan'ny fikambanana ary solon-tenan'ny Eglizy ny lehibem-pikambanana hekena. Satria mety ho diso ihany ny lehibe eo amin'ny baiko omeny fa tsy ho diso kosa ny mpikambana manaiky ny baiko, raha atao araka ny lalàm-panorenana izany rehetra izany. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Alatsinainy 10 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco