Misy dingana telo lehibe ny fanomanana ny sinaodin'ny eveka faha-16 : ny fakan-kevitra ny vahoakan'Andriamanitra any amin'ny Eglizy fototra izay entina eo anivon'ny Fivondronam-ben'ny Eveka, ny fandinihan'ny eveka eo amin'ny kontinanta ary ny fivoriam-ben'ireo eveka solo-tena any Roma. Fanazavana entin'i Ramatoakely Miora Rakotonirainy, Ekipa nasionaly  mpandrindra ny sinaody.

Ny tovolahy maniry ny hiofana ho pretra dia tokony olona salama, manana tanjaka. Anatin'ny fepetra tokony ananana ihany koa ny taona sy ny fahalalana. Taona iray aorian'ny bakalôrea dia miroso sy miofana ao amin'ny seminera propededika. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alahady 19 desambra 2021 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-45

♦ Mampaneno lakilosy ny vondron'ny tantsaha mpamokatra eto amintsika fa raha mitohy ny hain-tany amin'izao fotoana izao dia hihamafy ny tsy fahampian-tsakafo amin'ny taona ho avy... ♦ Maro ny olana sedrain'ny firenena vokatry ny toe-java-misy iainana ankehitriny hoy ny filohan'ny Senat nandritra ny famaranana ny fivoriana ara-potoana faharoa, saingy mahavelombolo ny ara-toekarena... ♦ Navoaka omaly tao amin'ny sekoly ambonin'ny zandarimaria ao Moramanga ny zandary andiany efatra nahavita fiofanana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...