Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe: "Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana." Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe: "Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?" Ka hoy i Jesoa hoe: "Tandremo sao ho voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: ‘Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro’, fa aza manaraka azy. Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany." Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo: "Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana, hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra. Dia nahita mpitondra tena anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy, ka nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra; satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an’Andriamanitra, fa io kosa, dia tamin’ny fahantrany indrindra izy no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany."
Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Jesoa i Pilaty nanao hoe: "Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?" Jesoa namaly hoe: "Anao samy irery izany teny izany, sa an’olon-kafa nilaza Ahy taminao?" Dia namaly i Pilaty nanao hoe: "Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?" Jesoa namaly hoe: "Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako; fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako". Dia hoy i Pilaty taminy: "Koa Mpanjaka izany Ianao?" Ary novalian’i Jesoa hoe: "Efa voalazanao: Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko".
♦ Seminarista zokiny 51 avy amin'ny diôsezy 13 eto Madagasikara no notokànana ho mpamaky teny sy mpanotrona teny Faliarivo ny Alahady teo... ♦ Mandray anjara feno amin'ilay fivoriana an-tampon'ny firenena mikambana momba ny fiovaovàn'ny toetr'andro na ny Cop26 any Glasgow i Madagasikara. Nandroso vahaolana amin'ny angovo amin'ny alalan'ny fampiasàna Ethanol ny filoham-pirenena... ♦ Niteraka savorovoro teny Mahazo omaly ny vaovao niely fa misy mpangala-jaza, teny Ambohimangakely...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco