Ny fifanampiana eo amin'ny olona roa na mpivady na mpianaka dia mampifanaiky am-po ary miteraka fifampitokisana ka mahatonga fahatsaram-piainana eo amin'ny fifandraisana. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Mitokona nanomboka omaly ny mpampianatra any amin'ny IST Antsiranana. Manohana azy ireo koa ny mpianatra. Tsy nahazoam-baliny mantsy ny fitakiana teo aloha... ♦ Nambara tamin'ny fomba ôfisialy fa voafidy ho filohan'ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ny kandidà tokana, Rasoloarison Monica... ♦ Vita titra y tsato-bato amin'ny anaran'ny Orinasa ny ankamaroan'ny tanin'ny SIRAMA. Nohamafisin'ny tale jeneraly fa tsy misy intsony ny varotra...

Miainga amin'ny fampianaran'ny fiangonana dia misy ny mitady ny fiainam-panahy ohatra ny fikambanana masina na ny relijiozy. Iainana ao anatin'ny fikambanana ny aim-panahy : fitiavam-bavaka, fandalinana ny finoana. Ny ara-nofo kosa dia ny fiahiana manokana ireo sahirana amin'ny alalan'ny vaomiera sosialy. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alakamisy 21 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 49-53

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...