♦ Hotanterahana anio eny amin'ny kianjan'i Barea eny Mahamasina ny fihaonana eo amin'i Madagasikara sy Bénin. Lalao fifanitsanana andraisana anjara amiin'ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an'ny baolina kitra 2022... ♦ Hifarana afaka roa volana ny fe-potoam-piasan'ny mpikambana mandrafitra ny Ceni... ♦ Nisantatra ny taom-pianarana 2021 sy 2022 ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakàna nanomboka omaly...
Mitondra lesona mandaitra ny fitantanana satria niainga avy amin'ny andram-piainana. Mivoaka amin'ny fifampizarana ny fahatsapana fa tsy misy olona mahavita-tena eto an-tany, tsy maintsy mila namana. Ilaina ny fitantarana amin'ny hafa ny finoana an'i Jesoa Kristy sy ny hafaliana miaraka aminy. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Alakamisy 2 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11
♦ Vonona ny handresy an'i Bénin ny Barean'i Madagasikara amin'ny lalao hatao rahampitso. Ao anatin'ny tanjaka avokoa ireo mpilalao rehetra, hoy ny mpanazatra... ♦ Misy ny tapakila amidy, ho an'ny lalao baolina kitra rahampitso eny Mahamasina, ankoatra ireo efa nozaraina... ♦ Nisantatra ny famoahana ny voka-panadinana bakalôrea kosa ny tany Toamasina. Nahatratra 42,19% ny taham-pahafahana...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco